FPMA NANCY FIANGONANA
FPMA TAFO NANCY
FILOHA : RANDRIHARIVELO Mamy-Hery 5 Allée de ROTTERDAM 54500 VANDOEUVRE-LES-NANCY
MPITANDRINA : RAFENONIRINA Laza 47 Bis rue de NABECOR 54000 NANCY
FIANGONANA
ANTOKO MPIHIRA
FIANARANA SORATRA MASINA
RADIO
TORITENY
 

FAHA 20 TAONA

HAFATRA

KOMITY

VAOVAO

TANTARA

DIAKONA

BIRAO

FANDAHARANA

FPMA FOIBE

 

 

TAFO NANCY FENO ROAPOLO TAONA

MIRAISA SAINA...MBA HO TANTERAKA NY FIFALIANAREO (Rom.12 :16, Jaona 15 :11)

Izany no teny noraisin'ny Komitin'ny faha 20-Taona ho teny Faneva amin'izao fankalazantsika an 'Andriamanitra noho ny faha 20 taonan'ny Tafo FPMA Nancy izao. Nitsoka efa ho dimy taona mahery mantsy izao ny fisarahana teto amin'ny FPMA. Nitranga ny Fiangonana Loterana Malagasy aty Andafy, izay nisitaka tamin'ny FPMA. Tato ato koa dia nisy nanangana Fiangonana FJKM aty Frantsa. Sahiran-kevitra ny mpiangona eo anatrehan'izany.Izany no nahatonga ny Komity handray io teny faneva io.

Ny fisarahana na tiana na tsy tiana dia midika ho tsy fahamatorana ara-pinoana. Betsaka ny fiangonana eto amin'izao tontolo izao no mitsiriritra antsikaFPMA noho isika afaka mampiray ny mpiangona avy amin'ny Loterana sy ny FJKM efa ho 50 taona izao.Ny mety ho fivakisan'ny Tafo ho izay ho tonga roa na telo dia tsy fandroana fa fihemorana.

Tsy azo lavina tokoa mantsy fa raha sanatria ka eto Nancy no hisin'ny fivakisana toa izany dia hiteraka fisavorovoana sy fialonanana sy ady lahy izany. Nahatsinjo izany ny komity ka dia ny FIRAISANA noheveriny ho matoan-kevitra lehibe sy zavatra ho banjinina amin'izao andro jobily izao.

Ny tena zava-dehibedia ny hahazoantsika mitambatra amin'ilay fototra, ilay tena voaloboka dia Jesosy Kristy. Ny fisarahana Aminy mazàna no miterka ny fikorotanana mahatonga ny fisarahana. Paoly Apostoly ao amin'ny Romana dia milaza fa ny firaisan-tsaina no toetra maha-mendrika ny Kristiana.

Izany firaisan-tsiana izany no hantenaina ho hiainan'ny Kristiana eto Nancy. Kristiana manakalaza ny faha 20 Taona.

 

KOMITIN'NY FAHA-20 TAONA

Mba hanomana ny fanakalazana an'Andriamanitra noho ny faha 20 taona ny Tafo Nancy dia nifidy Komity ny fiangonana

Ireto ny mpikambana ao amin'izany komity izany.

Ny Mpitandrina Laza RAFENONIRINA

Ny filoha Mamy Hery RANDRIHARIVELO

Solotenan'ny Diakona : Claude RAMANOHISOA sy Fidy RAZAKASOA

Solotenan'ny Mpandray : Odette Ramoelintsalama sy ILLI Miriame

Solotenan'ny Fiangonana : Herizo David RAKOTOALIMANANA sy Fanatenana RASOAMANANA

Solotenann'y Antoko Mpihira : Valerie RANDRIHARIVELO sy Tovo RAZAFINDRAMANANA

Ireto kosa ny Birao ny komity

Filoha : Laza RAFENONIRINA

Mpitantsoratra : Fanatenana RASOAMANANA

MPitahiry vola : Odette Ramoelintsalama

 

Toa izao ny tonon'ny hira FANEVA ny faha 20 taona

TANO MAFY NY FIRAISANA

Fa ny Tompo no nitia
Sy nitantana ny dia
Ka ny taona roampolo
Dia nivalona daholo
Mba ho raki-tsarobidy
Izay tavela ho tadidy

Fa ny Tompo no niaro
Ka ny tsara nifangaro
Tamin'hakiviana koa
Dia nitambatra ho soa
Nanamboatra sy nanefy
Hafaliana tsy voarefy

Fa ny Tompo no hitahy
Fa tsy misy mampanahy
Ka ny ho avy hantenaina
Hitondra filaminan-tsaina.
Sy hery entina hiasa
Haha-to izay kinasa

ISAN'ANDININY

Tano mafy ny firaisana
Fa izany no handraisana
Hafaliana ao am-po
Hahatanteraka ny Soa

Ramy

 

VAOVAO

Indro apetraka eto ambany ny sarin'ireo mpizaika tamin'izany

 

 

Ny Mpanoratra


Nivoaka ny Kolejy teny Ivato tamin'ny taona 1975 Ramatoa DARSOT Julia. Voatendry ho mpitandrina tany amin'ny fiangonana AMBOHIMANGIDY, Synodam-paritany Valo ambin'ny folo Akaiky tamin'ny fotoan'andro na Synodam-paritany Antananarivo Andrefana ankehitriny (1999), izy raha vao nivoaka. Avy eo dia notendrena ho mpandraharaha tao amin'ny Faculté de Théologie tao Faravohitra, izay nifindra teny Ambatonankanga taty aoriana, ny taona 1979. Ny taona 1975 ka hatramin'ny taona 1982 dia mpitantsoratry ny Asa Fitoriana ny Filazantsara an'ny FJKM sy ny Tafika Masina iraisana an'ny FFPM izy. Ny taona 1982 dia nandeha nakany Frantsa nanohy ny fianarany tao amin'ny Faculté de théologie tao Montpellier izy. Ny taona 1985 dia voatendry ho aumônier des Cliniques tao Montpellier. Nandritry ny na tao Montpellier azy dia efa notendrena ho Mpitandrina Mpandrindra ny Tafo FPMA tao Montpellier izy. Nitondra ny Paroisse ERF tao Dijon ny taona 1990 ka hatramin'ny taona 1996. Ny taona 1996 dia voatendry ho aumônier des hôpitaux tao Nancy izy.

Tsy mpitandrina fa statisticien kosa, ary nivoaka ny INSEE RAFENONIRINA Laza tany am-boalohany. Nanao ny asam-panjakana nandritry ny 20 taona mahery izy, no sady nampianatra tao amin'ny EESDEGS teny amin'ny Université teny Ambohitsaina. Nanaraka ny fampianarana téolojia nomen'ireo mpampianatra avy eo amin'ny Kolejy télojika miray teny Ivato anefa izy ary nampianatra ny taranja nantsoina hoe : "Contextes" tao amin'ny Faculté de Théologie tao Amabatonakanga ny taona 1982/1983. Ny taona 1993 dia voafidy ho Filohan'ny Faritany Avaratra Atsinanana an'ny Fiangonana Protestanta Malagasy aty Andafy (FPMA) izy. Nomen'ny FPMA delegasion pastoraly izy ny taona 1995 ary notendrena ho Mpitandrina Mpandrindra ny Tafo Dijon. Nampiana ny Tafo Nancy izany ny taona 1996. Ny taona 1997 tany amin'ny Synoda tany Montpellier no nanendrena azy manampy ny andraikiny tamin' ireo Tafo roa ireo ny handrindra ny Fitandremana ireo Tafo dimy (Dijon, Mulhouse, Nancy, Reims, Strasbourg) ao amin'ny Faritany Atsinanana. Hatramin'izao dia maimaimpoana no hanaovany ny asan'ny Mpitandrin'ny FPMA fa manana ny asany ao amin'ny Institut National de la Recherche en Informatique et en Automatique (INRIA) ao Nancy ny mpanoratra.

FAMITINANA

Boky mikasika ny tantaran'ny Fiangonana Malagasy tamin'ny adron'ny Mpanjaka RANAVALONA II

Vao tamin'ny voaloandohan'ny taonjato faha-sivy ambin'ny folo no tena nanomboka teto Madagasikara ny fitoriana ny Filanzantsara. Marina fa efa nisy ihany misionera nandalo teto tamin'ny taon-jato faha-enina ambin'ny folo saingy tsy naharitra izany.

Ny taona 1818 no tonga teto ny misionera Galois ary hatreo dia nihazakazaka ny zavatra nitranga. Niainan'i ny kristiana malagasy tao anatin'ny zato taona latsaka kely izay niainan'ny kristiana tany Eropa efa an-jato taonany maro.

Nosedrain'ny kristiana malagasy ny fanenjehana mivaivay, nefa nandalovany koa ny fanerena ankolaka na mivantana hivavaka. Ireo Mpanjaka nifandimby nandritry izany fotoana izany dia samy nanana ny fihetsiny teo anatrehan'ny fivavahana kristiana.

Ampahany amin'izany tantaran'ny fiangonana malagasy izany no haroso ho an'ny mpamaky, ka ho tantaraina sy ho fakafakaina dia ny "REBIK'ONDRY" izay fotoana nibosesehan'ny olona hanaraka ny fivavahana kristiana satria teha-hiseho ho manaraka izay ataon'ny mpitondra izy. Samy manana ny heviny momba izany ny mpanoratra ary izay indrindra no noezahana nodinihina sy nofakafakaina amin'ity boky ity.

Pasteur RAFENONIRINA 47 Bis rue de Nabecor 54.000 Nancy

 

TAOM-PIANGONANA

FIVORIAMBE NY TAFO.

Natao ny Alahady fahatelo ny volana janoary teo, tao aorinan'ny fanompom-pivavahana, ny fivoriamben'ny tafo. Tahaka ny fanao dia tatitra nataon'ny filoha, sy ny mpitam-bola no nanomboana ny fivoariana. Notanterahina tamin'izany koa ny fanavaozana ny diakona teto amin'ny Tafo. Tonga nanatrika ny fivoriana ary nitarika ny fotoana sy nitoriteny ary nampandray ny Mpitandrina mpandrindra ny Faritany Ramatoa RASOLOFOTSALAMA Mireille.

ALAHADIN'NY MPITANDRINA.

Natao tamin'ny Alahady 18 Febroarty laza teo ny Alahadin'ny Mpitandrina teto amin'ny Tafo Nancy. Ny filoha RANDRIHARIVELO Mamy Hery filoha no nitarika ny fotoana, Ny Pasteur ERF Julia RAFENONIRINA no nitondra ny tenin'Andriamanitra, Atoa RAFENONIRINA Laza Mpitandrina no nampandray, ary ny fianakavian'ny Mpitandrina no nanafana ny fotoana tamin'ny hira.

 

TANTARA

Tsy vao haingana fa efa ela tokoa no nisin'ny fanompoam-pivavahana amin'ny teny malagasy nataon'ny teratany malagasy taty andafy. Tamin'ny ady lehibe voalohany dia betsaka tokoa ireo miaramila malagasy tonga taty Frantsa. Betsaka tamin'izy ireny no tsy mahay miteny frantsay akory. Mba hanala ny alahelo sy ny hanina ny tany niavihana dia mazàna no mifamory manao fanompoam-pivavahana amin'ny teny malagasy izy ireo, rehefa misy azo hanaovana izany. Noho izany ny tany Madagagasikara dia naniraka ny Pasteur Vernier sy Pochard ho Pasteur aumonier taty Frantsa. Nitety ireo toerana nisy miaramila izy ireo ary betsaka ireo izay natao Batisa sy lasa Mpandray ny fanasan'ny Tompo. Ny tahiry amin'ireo Fiangonana nisy miaramila malagasy dia mbola hahita izany. Toraka izany koa ny tamin'ny ady lehibe faharoa.

Fa handeha hitsambikina aty amin'ny taona 1956 isika. Nanomboka teo dia betsaka tokoa ireo mpianatra malagasy no tonga nandrato fianarana taty Frantsa. Saika nahitana azy daholo ny tanana misy oniversité teto Frantsa. Mba hialana amin'ny fahanginana sy ny alahelo dia mifamory manao fanompoam-pivavahana amin'ny teny malagasy izy ireo isan'alahady. Nitombo betsaka noho izany ireo fiara-mivavaka malagasy teto Frantsa. Nanapa-kevitra ny tany Madagasikara fa tsara raha andefasana Mpitandrina izy ireo hitarika azy (Pasteur Aumonier). Atoa Daniel RALIBERA no Pasteur Aumonier voalohany. Tsy ampy ireo mpianatra malagasy anefa ny rafitra aumonerie. Nitady rafitra hafa izy dia ny rafitra Fiangonana. Izy ireo tokoa mantsy no hitondra ny firenena sy ny Fiangonana rehefa tafaverina soa aman-tsara any an-tanindrazana. Ny taona 1959 dia nivory tao Villimetrie ny solo-tena rehetra avy amin'ny lafy valon'i Frantsa mba hanangana ny Fiangonana Protestanta Malagasy aty Andafy (FPMA).Ary izany no mahatonga ny hankalazantsika an'Andriamanitra amin'izao fotoana izao ho fahatsiarovana ny faha 40 taonan'ny FPMA.

Nanombolka teo dia nitsangana na natsangana tsikelikely ho fiangonana ireo fiara-mivavaka nisy tany amin'ny tanana rehetra teto Frantsa, Tafo no niantsoana azy tamin'izany, ary mbola tavela mandrak'ankehitriny io anarana io.

Roampolo taona latsaka kely taty aoriana dia nitsangana koa ny Tafo Nancy. Isan'ny angady nananana sy vy nahita tamin'izany ry Itompokolahy Dr RAMOELITSALAMA sy ny Mpitandrina RABENANDRASANA Gisèle. Nifanampy koa anefa tamin'ny Tafo Atoa RANDRIAMIADANARIVO Ranaivosoa, izay nitondra ny fiangonana ERF tao Remirmont tamin'ny fahatongavana mitoriteny. Taorinan'ny fahafatesan'ny Dr RAMOELITSALAMA dia Itompokolahy RAFETRALISON no nandimby azy. Hatramin'ny taona 1995 dia Atoa RANDRIHARIVELO Mamy Hery no Filohan'ny Tafo.

Nifandimby nitandrina teto kosa Atoa isany RAHAMEFY sy RATOVONARIVO Ndimbisoa. Amin'izao fotoana izao dia Atoa RAFENONIRINA Laza no Mpitandrindra Mpandrindra eto an-toerana.

Noho izany dia hankalazaina tsy ho ela koa ny faha-20 taonan'ny Tafo NANCY

miverina ery ambony

DIAKONA

Ireto ny diakona voafidy ny volana janoary 2001ary hiasa mandritry ny roa taona, izany hoe hatramin'ny janoary 2001,

Andriamatoa isany.
RABENIRINA Feno
RAKOTONIRINA Sammy
RAMANOHISOA Claude
RAMAROSON Francky
RANDRIHARIVELO Mamy Hery
RAZAKASOA Fidy

sy Ramatoa isany

ALEXANDRE Ralantoarisoa
ARAYE Saholy
RALALA Fanja
RASOANARIVO Sahondra

 

miverina ery ambony

BIRAO

Toa izao ny biraon'ny FPMA Tafo NANCY hatramin'ny volana Janoary 2001

Filoha : RANDRIHARIVELO Mamy Hery

Mpitantsoratra : ARAYE Saholy sy RASOANARIVO Sahondra

Mpitantana ny vola : ALEXANDRE Ralantoarisoa

Mpitahiry Vola : RAMANOHISOA Claude

Mpiandraikitra ny fanompom-pivavahana : RAMAROSON Francky

Mpiandraikitra ny fifandraisana : RAZAKASOA Fidy

Mpiandraikitra ny Antoko mpihira sy ny Tanora : RABENIRINA Feno

Mpiandraikitra ny ankizy : RALALA Fanja sy RASOANARIVO Sahondra

Solotena any amin'ny Faritany : RAKOTONIRINA Sammy

 

 

miverina ery ambony

FANDAHARANA

Miangonana isaky ny alahady fahatelo amin'ny volana ny fiangonana, manomboka amin'ny 3 ora sy sasany. Ny toerana dia ao amin'ny ERF Place Maginot.

Toa izao ny fandaharana nandritry ny taom-piangonana 1999/2000

Alahady :

21 Janoary Fivoriamben'ny Fiangonana, fifidianana Diakona

18 Febroary Alahadin'ny Mpitandrina

18 Marsa

15 Avrily Paska

20 May

17 Jona Fitsangatsanganana

16 Septaùbra culte de rentrée sy fanokanana Diakona

Alahady 21 Oktobra

Alahady 18 Novambra

Alahady 16 desambra : fankalazana ny Krismasy arahin'ny fiara-misakafo

Talata 25 desambra Krismasy

Raha misy ilanao ny Mpitandrina dia azonao atao na ny miantso azy an-telephone : 03 83 56 78 29 na ny manoratra ho azy

Ny Filoha amin'ny telephone : 03 83 57 63 20

na ny manoratra ho azy

 

miverina ery ambony

miverina ery amin'ny trano fandraisana