FPMA NANCY RADIO
RADIO
Mpiandraikitra :
RAZAKASOA Fidy 1 pl. de Flandres 54500 Vandoeuvre-les-Nancy tél : 03 83 51 58 40
RANAIVO RAKOTOLEHIBE Sedina 1,rue de Bruges les Tourterelles 54500 Vandoeuvre les Nancytél : 03 83 55 25 10
RANDRIHARIVELO Valerie 5 allée de Rotterdam 54500 Vandoeuvre les Nancy tél : 03 83 57 63 20
 

Tongasoa eto amin'ny "TENY SOA" sy ny "GASY TSARA"

Fandaharana malagasy azonao henoina eto NANCY

ao amin'ny Radio "CARAIBES" amin'ny halavan'ny onjam-peo 90.7 modulation de fréquence

isaky ny ZOMA hariva manomboka amin'ny 7 ora ka hatramin'ny 8 ora

Miaraka aminao ny FPMA NANCY, RAZAKASOA Fidy

Hifaneraseranao aminay amin'ny alalan'ny taratasy elektronika

Azonao atao koa ny miantso anay an-taroby :

03 83 51 58 40

 

Feno herintaona izao no nisian'ny Radio amin'ny teny gasy eto Nancy sy ny manodidina.

Fisaorana betsaka no atolotra ny "radio caraibes" mandray antsika isaky ny zoma hariva. Songanina manokana amin'izany ny Pasteur Rachid talen'ny MJC Buisson Ardent.

Matoa nisy ity radio ity dia tsy azo atao koa ny tsy ahatsiaro fa ny Mpitandrina Laza RAFENONIRINA sy ny filohan'ny FPMA Nancy Hery Randriharivelo no tena niloaran'ny hevitra voalohany sy nanao ny fangatahana rehetra. Koa fisaorana betsaka no atolotra azy ireo.

Inona no zava-bita hatramin'izay herintaona izay?

Fantatsika fa mizara roa ny fandaharana

Ny antsasakadiny voalohany dia natokana hiderana an' Andriamanitra amin'ny alalan'ny toriteny , fampianarana , antsampanahy, nisy aza fanompoam-pivavahana efa henontsika tao. Amin'io fandaharana "TENY SOA" io koa no handraisan-tsika ireo tompon'andraikitra isan-karazany isaky ny sampana misy ao amin'ny fiangonan-tsika.
Tsy vitan'ny fiderana an'Andriamanitra fotsiny anefa io telopolo minitra voalohany io fa eo koa ny famakafakana sy fandinidinihina efa natao mikasika ny FPMA sy ny tantarany, ny toeran'ny Kristianina tany Madagascar tamin'ny andron'ny fanjanahan-tany, ny vehivavy eo anivon'ny fiangonana, ny fahasalamana sy ny fivavahana, ny zavakendren'ny FPMA tafo Nancy. Tsy adino koa ny nihezaka nanome fanazavana mikasika ireo fety kristianina isan-karazany toa ny Paska, Pantekosta…

Ireo naman-tsika Katolika koa dia namaly ny antso natao ka tonga namelabelatra sy nanome fanazavana mikasika fiangonana katolika eto Nancy.

Ny antsasakadiny faharoa kosa dia natokana hivelaran'ny fiangonana eo anivon'izao tontolo izao. Nihezaka hatrany izahay hanome ny vaovao avy any antanindrazana, na ara-politika izany na fanatanjahantena na koa resaka kolitiora.Ao amin'io fandaharana GASY TSARA io koa no natao henoina ireo hira Malagasy avy amin'ny lafivalon'ny Nosy. Heno tao daholo na ireo hira kalon'ny fahiny, na ny salegy, na ny tsapiky, na ny vakisaova na koa ireo hira madinika vao nivoaka taty aoriana.Natao koa io fandaharana io handraisana ireo artista mipetraka na mandalo eto Nancy.

Amin'io fotoana io koa no ahafahantsika manely ireo vaovao mikasika ny Malagasy eto Nancy sy ny manodidina. Ireo antoko gasy na vazaha fa manana fifandraisana amin'ny Malagasy dia samy mampandre ny tenanay avokoa ahafahana mandefa ny vaovao tiany ampitaina.

Izany sy izany no efa vita, herintaona izay , mbola be ireo lesoka nefa mihezaka hatrany ireo mpikarakara ny radio hanatsara ny fandaharana.

Raha toa misy soso-kevitra tianao haroso dia raisinay an-tanan-droa izany ka aza misalasala.

Ireto avy no efa nandalo tao amin'ny radio :
Pasteur Laza Rafenonirina, Julia Rafenonirina, Randriharivelo Hery, Randriharivelo Raivo
Ralantoarisoa Angeline, Ramaroson Francky, Rakotonirina Sammy, Rabenirina Feno, Andrianavalona Pascal, Totofidy Gabriel, Liva Juste Kamarady, Tarika Senge, Andriantsizafy Aurélie, Groupe Mavana, Patrick Faillon, Rojo Rakotomalala, Hery Razafindrakoto.


Anisan'ny fivoaran'ny sampana serasera eo anivon'ny fiangonana koa dia hiezaka ny hamoaka gazety 3 na 4 isan-taona izahay. Efa natomboka izany ary be ireo efa nahazo. Ianareo izay tsy tratra voazara tany am-piangonana kosa dia ho voaranareo tsy ho ela any antokantrano ny gazety.

Aza adino izany ny fotoanantsika isaky ny zoma hariva manomboka amin'ny 7 ora hariva .


Adresse: fidyrazakasoa@wanadoo.fr

 

 

miverina amin'ny trano fandraisana

 

 

FIANGONANA
ANTOKO MPIHIRA
FIANARANA SORATRA MASINA
RADIO
TORITENY