FPMA NANCY ANTOKO MPIHIRA
ANTOKO MPIHIRA
FILOHA : RANDRIHARIVELO Valerie
MPITANTSORATRA : RIVOMANANJARA Tiana
RAZAFIMANDRAMANANA Tovo
 
 
FIANGONANA ANTOKO MPIHIRA VONDROM-BAVAKA RADIO TORITENY

 

Famerenankira Manaraka : Jeudi - 19 h30

MJC Etoile Vandoeuvre

Fotoana samihafa :     

- Alahady 21 Octobre : Famangiana ny FPMA Reims                        

- 27/28 Octobre 2001 : Choralie Regionale Strasbourg                        

- Mai 2002 : Choralie Nationale Nantes                        

- ... Dia manantena ny fahatongavan-tsika rehetra mba hahalavorary ireo rehetra ireo.

Email vaovao : chorale_nancy@yahoo.fr

 

TANTARAN'NY CHORALE FPMA NANCY

Azo lazaina hoe mizara roa lehibe ny tantaran'ny chorale na antokom-pihiran'ny tafo FPMA Nancy. Ny azo lazaina hoe tapany voalohany dia ny fe-potoana hatramin'ny nitsanganan'ny tafo Nancy, izany hoe 1981 ka hatramin'ny 1994. Ny tapany faharoa kosa dia ny fe-potoana 1996 ka hatramin'izao. Ny anton'izany fizarana izany moa dia nohon'ny fifindra-monin'ireo mpianatra izay be an'isa tao amin'ny antokom-pihira, ka nahatonga izany antoom-pihira izany ho nangingina na tsy nisy mihintsy aza nandritry ny taona 1994-1996. Izay no mahatonga ny tantaran'ity antokom-pihira eto Nancy ity ho nisy fizarana roa tao amin'ny tantarany. Ny fe-potoana tapany voalohany moa ho fenoina amin'ny manaraka satria eo am-pitadiavana ny zava-nisy tamin'izany izahay fa kosa ny fe-potoana faharoa no ho tadidina fohy eto amin'ity tantaran'ny antokom-pihiran'ny tafo Nancy ity.

1996-1997

Azo lazaina hoe nanomboka nianatra namindra indray ny antoko-mpihira tamin'ny taona 1996, raha nanomana ny fandehanana tany amin'ny lasin-kira faha-efatra na choralie nationale tany Strasbourg. Teo indray dia nanomboka nisy ny famerenan-kira natao niaraka tamin'ny faritany avaratra atsinanana sy ny teto an-toerana.

4e CHORALIE NATIONALE STRASBOURG 1996 CONCERT EGLISE ST PAUL

ANTOKO MPIHIRA NANCY SY NY MPANOTRONA AZY TANY STRASBOURG 1996

Taorian'izany lasin-kira tany Strasbourg ny 9-10-11 novambra 1996 izany, dia notohizana tamin'ny antsam-panahy ny fiarahan'ny tanoran'ny antoko-mpihira tamin'ny noely 1996. Marihina eto fa io antsam-panahy natao teto Nancy io dia nahitana tanora maro hafa avy any amin'ny fiangonana rahavavy Katolika ary azo lazaina ho fisantaran'ny fiaraha-miombona amin'ny fiderana ny Tompo na inona na inona finoany.

 

CONCERT NOEL 1996 TANORA PROTESTANTA SY KATOLIKA FIANGONANA PLACE MAGINOT NANCY 1997-1998

Fa ny fiantombohan'ny taom-pianarana 1997-1998 kosa no tena nahitana ny fisondrotry ny herin'ny antoko-mpihiran'ny tafo Nancy. Nanomboka nasiana ny famerenan-kira indray isam-bolana ary nohezahina ny ihiran'ny antoko-mpihira isaky ny alahady fahatelo.

Ny fanomanana ny lasin-kira fahadimy any Toulouse ny may 1998 no natao vaindohan-draharaha. Ary nanomboka teo dia hita miandalana ny fahazotoan'ny tsirairay namerin-kira. Nanomboka niverina indray tao anatin'ny fiainan'ny fiangonana teto Nancy ny sampana antoko-mpihira.

Marihina fa na dia mbola antoko-mpihira azo lazaina fa vao miharina aza ny eto Nancy dia hita fa tsy latsa-danja mihintsy tamin'ireny fandehanana tamin'ny lasin-kira rehetra ireny satria anisan'ny antoko-mpihira nanana ny isan'ny mpihira sy mpanontrona maro ny tafo Nancy raha mitahy amin'ny tafo hafa rehetra.

1996 : Strasbourg… mpihiran'ny Nancy : 16 (faha-5 mihoatra amin'ny nasionaly) ary anisan'ny maro ny mpanontrona ny antoko-mpihiran'ny Nancy tonga nijery ny antsam-panahy.

:

Toulouse…... mpihiran'ny Nancy : 13 (faha-8 mihoatra amin'ny nasionaly)

Nanomboka tamin'ity lasin-kira fahadimy tany Toulouse ity dia azo lazaina fa nahazo hery vaovao sy rivo-baovao ny AMF Nancy ka nanjary nanomboka nahazo fahamatorana sy nanomboka nahafantatra ny hery sy ny toeran'ny antoko-mpihira ao anatin'ny fiangonana.

Nasiana ny famerenan-kira isan-kerinandro.

Nanomboka hita soritra ny firaisan-kinan'ny tanoran'ny AMF Nancy.

1998-1999

Nanomboka nivoaka namaly ireo antso avy any ivelany ny antoko-mpihira toy ny fandehanana tany Verdun ny 01 novambra 1998. Nitondra ny tenin'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny hira chorale ny AMF Nancy ary nampiseho ihany koa ny maha-malagasy antsika tamin'ny alalan'ny vako-drazana sy ny hira malagasy.

Ny taona 1999 kosa dia taona nisehoan'ny firoboroboan'ny AMF Nancy. Tamin'io taona io tokoa no nanomboka napetraka ny birao sy rafitra hitantana ny antoko-mpihiran'ny Nancy. Ka ny 11 febroary 1999 no napetraky ny mpikambana ao amin'ny antoko-mpihira ny birao hitantana izany sampana izany ary fotoana fohy tao aoriana dia vita koa ny rafitry ny antoko-mpihira. Nasiana ny fivoriam-be isan-taonan'ny AMF Nancy.

Niaraka tamin'izany moa dia nitohy hatrany ny fifandraisan'ny antoko-mpihiran'ny Nancy sy ny avy any ivelany.

Ny 20 marsa 1999, dia nandray ny antoko-mpihiran'ny adventista avy any Collonges sy Paris i Nancy ary niara-nanao antsam-panahy niaraka tamin'izy ireo tao amin'ny fiangonana place Maginot Nancy.

Natao teto Nancy ny 24 mars 1999 ny fivoriana voalohany ny hananganana ny birao sy ny antoko-mpihiran'ny faritany avaratra atsinanana. Tapaka tamin'izany fa ho asiana ny lasin-kiran'ny faritany isaky ny taona tsy misy lasin-kira nasionaly. Nancy no nandray izany lasin-kira izany voalohany.

Dingana lehibe ho an'ny tafo sy ny antoko-mpihira teto Nancy izany fandraisanay ny lasin-kira voalohan'ny faritany na choralie régionale izany. Tanteraka izany ny 30 sy 31 oktobra 1999 nohon'ny herin'Andriamanitra nitarika sy nivimbina ny AMF Nancy tamin'ny fandraisany an'izany.

 

 

 

CONCERT CHORALIE REGIONALE NORD EST 31 OCTOBRE 1999 TEMPLE PLACE MAGINOT NANCY

Namoaka CD moa ny AMF Faritany tamin'izany.

Taorian'io choralie régionale teto Nancy io moa dia nisy ireo fivoahana vitsivitsy nataon'ny AMF Nancy to ny tain'ny 04 décembra 1999, nandeha tany Mulhouse niara nanao fampisehoana niaraka tami'ny AMF Faritany.

 

1999-2000

Ny chorallille 2000 no tanjona niomanan'ny AMF Nancy. Nanana solon-tena ny chorale teto Nancy nankany Lille hamonjy ity choralie 2000 ity izany nahitana ny sangana'asan'Atoa Henri Ratsimbazafy.

Ity ny ambangovangony momba ny tantaran'ny AMF na Antoko-Mpihiran'ny Tafo FPMA Nancy. Maro ny sary sy ny tapakilan'ny gazety niseho momba ny AMF Nancy noho ireo zavatra nataony tokony mbola ho ampiana ato anatin'ity tantara ity ary maro ny zavatra niseho teto anivoan'ny AMF Nancy izany mbola tsy voatanisa ato. Koa mamela anay ianareo raha ho atao miandalana amin'ny manaraka izany satria ny faniriana dia ny hitomboan'ny AMF Nancy am-panahy hatrany ka hanompoany an'i Tompo Jesosy amin'ny saina madio sy fo feno fitiavana an'Andriamanitra sy fitiavana am-pirahalahina.

Ho an'Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

AZONAO ATAO NY MANDEFA TARATASY AMIN'NY