HYMNE NATIONAL

Parole et Musique
![]()
TITRE: Ry Tanindrazanay Malala
Ry Tanindrazanay malala ô!
Ry Madagasikara soa
Ny fitiavanay anao tsy miala,
Fa ho anao doria tokoa
Tahionao, ry Zanahary I
ty Nosin-dRazanay ity
Hiadana sy ho finaritra
He! Sambatra tokoa izahay.
Ry Tanindrazanay malala ô!
Irinay mba hanompoana anao
Ny tena sy fo fanahy anananay,
'Zay sarobidy sy mendrika tokoa.
Ry Tanindrazanay malala ô!
Irinay mba hitahiana anao,
Ka ilay Nahary izao tontolo izao
No fototra ijoroan'ny satanao.